Andro vitsy sisa no andrasana de hiatrika ny CAN izay ho tanterahana any Egypte ny Ekipam-pirenena malagasy. Efa ao anatin’ny fiomanana tanteraka ny ekipam-pirenena malagasy amin’izao. Toa izao ny fandaharam-potoany.
Ady voalohany amin’ny CAN 2019 ny hifanatrehany amin’ny Guineanina ny 22 jona ho avy zao. Eo anatrehan’izay dia efa azo lazaina mihanoka tanteraka sahady izay lalao izay ny Barea.
Raha efa azo antoka ny toerana misy ny mpilalao sasany, toerana izay efa notapahan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis dia mbola tsy fantatra kosa izay toerana hisy ny mpilalao hafa. Araka ny voalaza mantsy dia folo andro alohan’ny lalao voalohany ; izay hifanintsanana amin’ny ekipa guineanina no ho voafaritra ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika izany CAN 2019 izany.
Lalao fanomanana 3 no miandry ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny taranja baolina kitra mialoha ny tena ady lehibe amin’ny 22 jona izao ka ireto manaraka ireto izany.
31 may – 07 jona : Fanazarana any Lisses (Essonne)
Herinandro voalohany amin’ny lalao fanomanana ho an’ireo mpilalao voafantina io. Lalao am-pirahalahiana 2 no ho hita ao anatin’izany : ny voalohany hiaonana amin’ny Luxembourg (2 jona) , ny faharoa kosa hifanatrehana amin-dry zareo Kenianina (7 jona) .
8 jona – 11 jona : Fanazaran-tena eto Antananarivo
Ireo mpilalao mila ravin’ahitra any ivelany no ho tonga hanao fanazaran-tena eto. Andro maromaro hijanonany eto mialoha ny lalao lehibe izay hifanatrehana amin’ny Mauritanie izay isan’ny firenena sambany handray anjara amin’ny CAN koa.
12 jona – 17 jona : Fanazarana any Marrakech (Maroc)
Lalao farany hifanaovan’ny Barea sy ny Mauritanie ny 14 jona mialohan’ny hisidinana ho any Egypte.
Fandaharam-potoana andraisan’ny BAREA anjara amin’ny CAN 2019
Toa izao kosa ireo lalao handraisan’ny Barea anjara mandritra ny fihodinana volaohan’ny CAN 2019.
- 22 Jona : Madagasikara – Guinée any Alexandrie (11 ora alina eto an-toerana)
- 27 Jona : Madagasikara – Burundi any Alexandrie (5 ora sy sasany eto an-toerana)
- 30 Jona : Madagasikara – Nigeria any Alexandrie (7 ora hariva eto an-toerana)
Ireo mpilalao voafantina
Mpiandry tsatokazo :
- Jean Dieu Donné Randrianasolo (Leda)
- Adrien Melvin
- Ibrahim Dabo
Vodilaharana :
- Mamy Gervais Randrianarisoa
- Romain Métanire
- Thomas Fontaine
- Jérémy Morel
- Toavina Rambeloson (Debakely)
- Jérôme Mombris
- Pascal Razakanantenaina (Bapasy)
Afovoany :
- Baggio Romario Rakotoarisoa
- Rayan Raveloson
- Archasina Andriamirado (Dax)
- Dimitri Caloin
- Abel Anicet Andrianantenaina
- Marco Ilaimaharitra
- Ibrahim Amada
Mpanafika :
- Faneva Ima Andriatsima
- Voavy Paulin
- Lalaina Nomenjanahary (Bolida)
- William Gros
- Njiva Rakotoharimalala
- Charles Andriamanitsoro (Carolus)
Lisitra fanampiny : Fabien Voyer, Andro Rakotondrazaka, Toby Njakanirina
Alefa Barea !