Ny toe-tsain’ny Malagasy no tsy mampandroso an’i Madagasikara5 minutes de lecture

toe tsaina malagasy

TOE-TSAINA GASY – Firenena nanana ny maha izy azy I Madagasikara tany aloha, indrindra fony andro faha mpanjaka ka mbola tsy voazanaka isika. Nanana ny naha izy azy, nanana ny fombany, nahaleo tena ara-toe-karena.

Ankehitriny, efa nivadika ny rasa satria an’isany firenena mahantra indrindra eran-tany i Gasikara raha toa ka efa lasa lavitra ny firenena sasany toa ny Nosy Morisy na i Chine.

Maro amintsika Malagasy no milaza ho tia Tanindrazana nefa manary ny maha izy azy antsika, mandà ny kolontsaintsika… Ny tanora ankehitriny moa dia efa maro an’isa no revo amin’ny kolontsaina vahiny. Tsy mahafehy ny fanatontoloana.

Maninona i Madagasikara no mahantra ? Maninona ny Malagasy no mahantra ? Ny toe-tsaintsika no antony. « Izay ilay toe-tsaina gasy » : fehezanteny efa fahenontsika loatra ! 

Fiainana « mora mora »

« Mora mora », io no teny filamatra ho an’ny Malagasy. Ireo teny ireo mihitsy moa no ahafantaran’ny vahiny antsika. “Madagascar, le pays du mora mora”. Alaina milamina hono ny fianana e ! Tsy taitra, tsy maika… Nefa tara ihany.

Raha dinihina dia io toe-tsaina maka milamina, tsy rontotra, “mora mora” io no maha taraiky antsika Malagasy. Lasa fomba fiainana sy fomba entina itondrana ny fiainanana izany. Mandeha moramora daholo. Ohatra : raha misy zavatra atao dia angatahana fotoana lava ny fanatanterahana azy. Tsy dia ivakiana loha daholo ny zavatra atao. Tsy miraharaha fotoana. Tsy zatra mametraka tanjona ilaina vita anaty fotoana.

Ny vesatry ny fianakaviana

Mazàna dia manana toe-tsaina katsetsitra ny Malagasy, indrindra raha misy havana “tafita” na lasalasa amin’ny fiainana. Satria izay ilay “fihavanana” hoy ny sasany satria ifanampiana ny fiainana. Ary ny fianakaviana tsy maintsy mifanohana sy mifanampy.

Samy manana ny famaritany ny atao hoe “fifanohanana” sy “fifanampiana” kosa nefa. Firifiry amin’ny Ray aman-dReny malagasy ankehitriny no mitaky vali-babena amin’ireo zanany ? Firy amintsika no tsy “misolelaka” amin’ny havana manana mba hahazo zavatra na tombotosa ?

Zava-misy eto amin’ny fiarahamonina io fa tsy misy sahy miteny.

Fialonana, tandra vadin-koditra amin’ny Malagasy

Ny fialonana, toe-tsaina mampiavaka loatra ny Malagasy. Indrisy. Raha vao misy mpiray tanàna, namana, havana manana noho ny tena dia ialonana ary ankahalaina avy hatrany.

Firifiry amintsika no mamorona atsanga tsy aman’orana, mifosa, mamafy lainga mikasika olona iray noho io fialonana io ? “Manao afera maizina no mampanan-karena azy”. “Manao bizina bois de rose iny fa manafina”…  

Ny Malagasy dia tsy faly amin’ny fahatafitan’ny hafa. Izay tafasondrotra dia sintomina midina. Raha tsy vita ny mampidina azy dia gafiana. Ny tsy fantatry ny maro dia izay tafasondrotra anie afaka manampy ny hafa hiakatra koa e !

Tsy mandray andraikitra

Te hanova zavatra, te handroso nefa kamo. Kamo ara-tsaina indrindra indrindra. Tsy zatra na nozarina handray andraikitra fa miandry mana avy any an-danitra na miandry fahagagana.

Betsaka isika no mikatsaka fianan-tsambatra nefa tsy manao na inona na inona hahatonga izay.

Ireo izay manana fahasahiana hihetsika dia enjehana foana, lazaina fa “miseho milay”, dedaka, te ho deraina… Tsy ao mihitsy ilay toe-tsaina tia fivoarana sy fiovana fa faly mionona amin’ny zava-misy fotsiny.

Hany ka tsy mahagaga raha toa izao ny firenentsika. Tsy mila mandeha lavitra fa azo raisina ohatra ny tanànan’Antananarivo, izay an’isan’ireo renivohitra maloto indrindra eran-tany. Izay mba manadio lazaina fa dedaka, izay faritra voadio, afaka ora vitsy dia maloto indray.

Taranaka tsy ampy fanabeazana

Tsy mamolavola olom-banona intsony ny rafi-pampianarana eto Madagasikara. Toa izany koa, vitsy sisa ireo Ray aman-dReny no mbola mitaiza ny zanany ho lasa olom-banona sy hanam-pahendrena. Rehefa mianatra, misakafo sy mitafy dia ampy izay. Hany ka tsy mahalala fomba, tsy mahafantatra ny tokony atao, kamo misasatra, tsy mahalala ny maha Malagasy azy ny ankizy sy tanora ankehitriny. Voazanaka ara-tsaina.

Nefa raha tiana handroso ny firenena dia ny fanabeazana ny taranaka no mila atao vaindohan-draharaha. Ny mpanabe no mila mampita ny fahendrena amin’ny taranaka. Dieny mbola kely izy ireny dia mila zarina hadio, handray andraikitra, hanaja ny maha Malagasy azy, hanasoa ny manodidina, hahay hikiry mba hahazo zava-tsoa…

Tsy ny diplaoma ihany no ratovina any an-tsekoly fa ny fahendrena indrindra indrindra !

Malagasy tsy manaja rafitra sy lalàna

Ny modely dia avy any ambony foana ! Firy amin’ireo mpitondra no tena manaja ny lalàna velona misy eto amin’ny firenena ? Rehefa tsy tan-dalàna, tsy matahotra ny lalàna ny mpitondra dia mazava ho azy fa torak’izany koa ny vahoaka. Raha tena dinihana dia efa tafiditra anaty fenitry ny fiarahamonina Malagasy ny fahafahana mandika ny lalàna. Mila manone kely ny mpiasam-panjakana ohatra dia vita haingana ny taratasy. Azon’ny fiara vaventy atao ny miditra an-tanan-dehibe amin’ny lera izay tiany satria nanao kolikoly hahazoana taratasy fahazahoan-dàlana. Ohatra fotsiny ireo fa maro ny tranga azo tantaraina.

Ny mpitondra foana no diso

Matoa ny mpitondra tsy mahavita ny asany sy fampanantenana nataony dia ny vahoaka no tsy mahafantatra hoe izy no tena tompon’ny fahefana ary afaka mitaky ny tamberin’andraikitra amin’izay olona nofidiany.

Raha tsy voafehy ny fiakaran’ny vidim-pianana, raha manjaka ny tsy fandriampahalemana… Ny fanjakana foana no diso. Mety ho marina ihany nefa misy anjara andraikitry ny Malagasy rehetra koa nefa.

Ny Malagasy dia faly mimenomenona fotsiny fa tsy mandray andraikitra.

Ny toe-tsaina tsy mampandroso

Matoa Magasikara, firenena malalantsika, toa izao dia noho isika ihany. Izay afaka moa dia mifindra monina amin’ny amin’ny firenena matanjaka satria any no misy fiainana tsaratsara kokoa. Izay mbola eto dia manao “samy maka ho azy”, samy manao izay tsy hahafaty ny tenany na dia hamotehana ny hafa azy.

Raha tiana hiova Gasikara dia isika Malagasy no mila miova toe-tsaina voalohany ka miala amin’ireo toetra voalaza etsy ambony ireo.

Mila :

  • Mandray andraikitra ny tsirairay eo an’ivon’ny fianakaviana sy ny fiarahamonina.
  • Mifanampy miara-misondrotra amin’ny fiainana.
  • Tsy mialona ireo manan-katao fa miezaka hiakatra farim-piainana.
  • Manaja ny lalàna ary manohitra ny tsy fanarahan-dalàna.
  • Mitaky ny tamberin’andraikitra amin’ny mpitondra fa tsy faly minenomenona sy manome tsiny ny fanjakana.

Fa ny tena zava-dehibe dia ny fanabeazana. Ny taranaka no ho avin’ny firenena. Raha ireo no voavolavola tsara ny toe-tsainy dia handroso ho azy ny firenena. Ny fanabeazana ho olom-pirenena vanona izany no tokony ho vaindohan-draharahan’ny fitondrana ankehitriny.

Partagez l'article :

One Comment on “Ny toe-tsain’ny Malagasy no tsy mampandroso an’i Madagasikara”

  1. Marina daholo ireo voalaza saingy @ ampahany, rehefa tena vakiana tsara mantsy ny lahatsoratra manontolo dia toa manaporofo loatra hoe tena olona tsy misy ilana azy mitsy ny malagasy manonolo, toy ny hoe tsy misy lafitsranay mihitsy ireo toetra malagasy ireo fa rasty avokoa, izay fotsiny no olana

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *