Ry tovovavy, aza maika ny hanambady5 minutes de lecture

aza maika ny hanambady

Naresaka be andro vitsivitsy izao i Tahisy izay maty, nolazaina fa novonoin’ny vadiny. Ity farany moa dia voapangan’ny olona fa mpisetrasetra sady mpampirafy. Ry tovovavy, aza maika ny hanambady. Hafa ny sarina tokantrano arantirantin’ny fiarahamonina aminao sy ny tena zava-misy rehefa tafajoboka ao ianao. Aza sodoka !

Misy tovolahy milaza fa tia anao, vonona haka vady anao ka dia roboka ianao ? Indreto misy teboka maromaro tsy maintsy fantatrao alohan’ny hijobohanao anaty fanambadiana.

#1 – Ny vokatry ny firaisana ara-nofo aloha loatra

Maro ankehitriny ireo tovovavy tratry ny vohoka tsy niriana ka voatery miditra anaty fanambadiana. Aza maika miditra amin’ny firaisana ara-nofo raha mbola tsy vonona sy tsy mahalala tsara ny vatanao ianao. Efa mahay manisa andro tsara ve ianao ohatra ? Efa ampy ve ny fanabeazana ara-pananahana azonao na io tany am-pianarana na io tamin’ny fianakavianao ?

Aza mandefitra amin’ny faneriterena ataon’ny tovolahy izay mitady izany aminao satria misy ny fomba hafa hanaporofoana ny fitiavana ankoatra ny firaisana ara-nofo.

Raha tena tsy hahafehy ny tenanao ianao ka hanolotra ny vatanao dia mampiasà fiarovan-tena hisorohana ny vohoka tsy hiriana.

#2 – Tena vonona hanambady tokoa ve ?

Ny manambady anie tsy mora e ! Tena vonona tokoa ve ianao ? Vonona ara-tsaina ve ianao ? Ampy ve ny lesona efa azonao teo amin’ny fiainana entinao mihatrika izany fiainana ara-tokantrano izany ? Efa mahatsiaro tena ho olon-dehibe ara-tsaina ve ianao, izany hoe « matotra », ka sahy hiroboka hikopak’elatra hitokan-trano ? Efa manana ny enti-manana ve ianao, na ianareo 2 kely sy ireo mety ho zanakareo, hiaina am-pahaleovan-tena ? Raha mbola misy tsy voavaly ireo dia aza maika.

#3 – Tena fantatra ve ilay ho vady ?

Be dia be ny totovavy no jamban’ny endrika ivelany tsy mahay mizaha ilay ao anaty. Raha hanambady tovolahy iray ianao, tena fantatrao tokoa ve izy ?

Sao dia tsy tena fitiavana no hangalany anao ho vady fa te « hahazo » anao fotsiny toa ny amboara ? Fantatrao ve ny toetrany miafina ? Fantatrao ve ny lasany ? Fantatrao ve ny momba azy sy ny fianakaviany ? Fantatrao ve sao mpisetrasetra izy ? Sao dia mpisotro tsy mahafehy tena ? Sao dia mpidoroka zava-mahadomelina ? Toy ny ahoana ny lasany ?

Raha tsy tena fantatro ilay lazainao ho andefimandrinao, aza mbola manambady aloha. Tsy hainao rehefa ao aoriana ao ka hiseho aminao ny tena toetrany ka hahita olana ianao.

Ny fitiavana ry tovovavy dia tsy vitan’ny endrika amam-bika fa resaka toetra. Ary toetra no tena vadiana fa tsy endrika ivelany.

#4 – Ny tokantrano sady fihafiana no tsia

Fitenintsika Malagasy ny hoe « ny tokantrano fihafiana ». Raha niteny an’io ny Ntaolo dia ireo karazam-pihafiana tsy maintsy hatao hananana fiainana tsara kokoa no tiany hambara satria « izay maharitra no manana ny soa ».  

Diso ilay fandraisantsika azy ankehitriny satria tsy hoe fihafiana ny vono sy ny fampijaliana akory. Na efa hanapitra ny aina ary ve dia mbola hihafiana ihany ohatra ? Tsia kosa angamba ! Mahaiza mametraka fetra hoe hatraiza ny fandeferako manolonana ny mety ho hadalàn’ny vadiko. Izay hahasambatra ara-batana sy ara-tsaina anao aloha no jereo !

#5 – Ianao no tompon-tsafidy amin’ny fiainanao

Aoka izay ilay fahatahorana ny vavan’ny fiarahamonina. Tena lesoka be amintsika Malagasy io matahotra izay mety ho fitsaran’ny mpiara-belona io, indrindra moa ny fianakaviana. Tsy dia ifanomezan-tsiny ihany aloha satria isika dia nobehazina anaty fiarahamonina tia mitsara ivelany. Eny, tia mitsara ivelany ny Malagasy, aoka tsy hifampihatsaravelatsihy !

Inona aky no idirako ? Io ry tovovavy no tokony ho ataonao ao an-dohanao. Izay hahasambatra anao no ataovy. Aza eritreretina izay mety ho vavan’ny mpitsara satria tsy ny fiarahamonina no hiaina ny hiainanao anaty fanambadiana. Tsy ireo olona mitsara sy mitsikera anao ireo no hiaina ny vono sy ny vava mandratra ho azonao amin’ny vadinao. Anao ny fiainanao fa tsy an’olon-kafa. Aza adino koa, fa na mety na tsy mety ny fanambadianao, ny olona tsy maintsy mahita izay ambarany foana.

#6 – Tsinjovy ny ankizy

Ny Malagasy rehefa mba miresaka fisaraham-panambadiana dia ny hoe : « tsinjovy ny ankizy ». Ny tiany hambara dia : « aza misaraka fa sao dia hanimba ny ankizy ».

Diso nefa izany ! Tsinjovy tokoa ny ankizy ary mijere lavitra. Ry tovovavy, ho sambatra ve ireo zanakao ireo anaty tokantrano mikorontana ? Na mahay manafina tahaka ny inona aza ianao sy ny vadinao momba ny disadisanareo dia tsapan’ny ankizy foana izany na ho ela na ho aingana. Miteraka fikorontanana ara-tsaina amin’izy ireo ny fahitana ny Ray aman-dReniny mifamaly sy miady lava.

Mba ahoana koa ny ao an-tsainy mahita an’i dada mamono an’i mama ? Sary hiraikitra ao an-dohany mandritra ny taona maro izany. Hanao ahoana izy rehefa lehibe ? Hitondra inona amin’ny toerany izany ? Mahazaiza mijery lavitra ry tovovavy.

#7 – Tsy mampaninona koa ny irery

Mbola miverina eo amin’ilay fitsarana ivelany ataon’ny fiarahamonina malagasy ihany isika. Toa ratsy endrika izany vehivavy irery izany indrindra moa rehefa « mandroso taona ». Hany ka dia lasa manambady tsy fidiny ny betsaka. « Tsy fidiny » satria tsy tena safidin’ny fo fa noterena.

Aleo irery toa izay hiaraka amin’ny olona tsy hahasambatra. Io fehezan-teny io mahafehy ny tokony ataonao ry tovovavy raha toa ka mbola tsy resy lahatra ianao amin’izay ho andefimandrinao.

Fiainanao io, ianao ihany no mahalala izay mahamety azy. Aleo irery toa izay manambady olona tsy fantatra toetra, na manafin-toetra, mety hampijaly anao.

#8 – Manàna asa mahavelona

Efa nilaozan’ny toetr’andro ilay hoe ramose miasa dia i madama mikarakara tokan-trano. Ny fainana efa sarotra rahateo. Ry tovovavy, alohan’ny hidiranao anaty fanambadiana, manàna aloha anton’asa mahavelona.

Io dia lesoka mpahazo ny tovovavy maro ankehitriny. Manantena ho velomim-bady satria « je ne travaille pas, je suis une princesse ». Any amin’ny sary miaina ihany no misy an’izany fa amin’ny fiainana tena izy dia mila miasa daholo satria ny fiainana tsy mora. Sady misy lanjany na « valeur » kokoa ianao eo amin’ny vadinao raha toa ka manana ny fidiram-bolanao manokana. Hanaja anao kokoa izy raha toa ka manana asa anao makonana ianao satria fantany fa na misy azy na tsia dia ho vitanao foana ny fainanao. Tadidio izay !

#9 – Miresaha

« Ny tokantrano tsy hahahaka », marina ihany nefa diso ihany koa satria ny fahanginana dia mety hitera-doza.

Raha mampahory anao ny vadinao, miresaha amin’ny olona akaiky anao fa aza kobonina irery. Ny tsy fizaranao izany dia vao maika handetika anao ary tsy hamaha ny olana mahazo anao.

Ambarao amin’ny reninao, ny rahavavinao, ny anahadinao, ny rainao, ny namana tena akaiky anao ny mahazo anao dia mangataha toro hevitra. Misy fetrany ilay hoe « ny tokan-trano fihafiana » satria misy ny fotoana tsy maintsy mandray fanapahan-kevitra hentitra ianao ho an’ny ho avinao.

Ry tovovavy, aza maika ny hanambady.

Partagez l'article :

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *