Taombaovao Malagasy 2019 : Hiavaka ny fankalazana !2 minutes de lecture

Hiavaka ny fankazana ny Taom-baovao Malagasy 2019

Hiavaka ny fankalazana ny Taom-baovao Malagasy amin’ity taona 2019 ity. Na ny eto an-toerana na ireo avy any dilam-bato dia hiara-paly mandritra izany andro firavoravoana izany, ny zoma 05 sy sabotsy 06 aprily 2019 ho avy izao. Marihina moa fa ny Taom-baovao Malagasy dia mifandraika amin’ny tsinan’ny Alahamady, raha araka ny fanazavan’I RAZAFINDRAKOTO Hasina, mpikambana ao amin’ny komity mikarakara ny hetsika.


Andro malaza ho an’ny Malagasy rehetra


Efa nandritra ny 20 taona no nankalazaina ny Taombaovao Malagasy. Izany dia nankalazana tanaty fety makotrokotroka foana : diabe, arendrina, fiaraha-misakafo, tsimandrimandry… Na ny Malagasy mpiray Tanindrazana na ireo monina any ivelan’ny nosy dia miara-mankalaza izany avoko. Raha nangingina ny fankazala hatrizay dia efa manomboka malaza izy ankehitriny.


Ny amin’ity taona 2019 ity dia hanomboka ny 05 aprily izao ny hetsika fa ny ivony kosa dia ho tontosaina ny sabotsy 06 aprily 2019. Ny zoma 05 aprily dia santarina amin’ny fidiovana ny hetsika. Izany dia endrika ivelany anehoana ny fifamelana sy fanamafisana ny fihavanana eo amin’ny samy Malagasy. Hisy ihany koa ny fandrehetana ny “afo tsy maty” izay hotanterahana eny Ambohidrabiby izay toerana nanjakan’I Ralambo. Tsy eny Ambohidrabiby ireny no toerana hanaovana izany fa hisy izany avokoa ny faritra maromaro manerana ny nosy. Ny harivan’ny zoma 05 aprily kosa dia hisy ny korana fiaretan-tory hiandrasana ny taom-baovao. Araka ny fomba dia ny marainan’ny 06 aprily dia hisy ny fafy rano, zara hasina… izay fomba ara-pomban-drazana fankalazana ny tonon-taona eo amin’ny Malagasy.


Marihina fa hahitana hetsika ho fankalazana ny Taombaovao Malagasy ihany koa ny toerana vitsivitsy eto an-drenivohitra toa ny Kianjan’ny Kanto Mahamasina, Ambohimangakely ary etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely.


Indro atolotra anao ny antsipirihan’ny fandaharam-potoana mandritra ny fankalazana ny taom-baovao Malagasy:



An’isan’ny mampiavaka ny Taombaovao Malagasy 2019 dia ny fisian’ireo fikambanana maro samy hafa mankalaza izany. Toa izany ny Alliance Française Antananarivo. Sambany nisy fikambanana vahiny miara-mankalaza amin’ny Malagasy ny taombaovaony.



Taombaovao Malagasy : tokony ho andro tsy fiasana fa andraisan-karama


Maro ireo mampiaka-peo. Anisan’ny andro malaza eo amin’ny kolontsaina malagasy ny fankalazana ny Taombaovao. Izany indrindra no mahatonga ireo terak’Ambohidrabiby sy ny komity mikarakara ny Taombaovao Malagasy mangataka amin’ny fanjakana mba hanaovana ny tapak’andro harivan’ny 05 aprily ho tsy fiasana nefa andraisan-karama. Efa natomboka ny 22 febroary lasa teo moa izany ary maro ireo Malagasy nanohana izany fangatahana izany teny amin’ny tambazotran-tserasera toa ny Facebook.


Antenaina fa handray fanapahan-kevitra ny eo an’ivon’ny Ministeran’ny Kolontsaina ka hanao ny Taombaovao Malagasy ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama.

Partagez l'article :

One Comment on “Taombaovao Malagasy 2019 : Hiavaka ny fankalazana !”

  1. Miarahaba tompoko!
    Fanontaniana: Isika malagasy ve manana calendrier mazava ahafantarana izany taombaovao malagasy izany? Raha misy dia taona faha firy eo amin’ny calendrier malagasy izany izay ankalazaina izao? Misaotra indrindra ho an’izay mamaly.

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *